Anisan’ny tena mpahazo ny ankamaroan’ny olona mipetraka lava sy ny vehivavy bevohoka ny aretina « infection urinaire » na « cystite ». Toy ny mpivarotra, ny mpamily fiara, ny olona diabetika ary ireo matavy. Voan’ny aretina ihany koa ny ankizilahikely mbola tsy vita didimpoitra.
Voan’ny aretina avokoa ny 1/3-n’ny marary tonga manatona toeram-pitsaboana iray nanontaniana etsy Ankasina. Manodidina ny 98% amin’ny vehivavy (25 taona mihoatra) no tena voan’ny aretina, raha ny tatitra voaray hatrany. Ny fisian’ny mikraoba any anaty tatavia, izay miala avy any amin’ny voa mankany amin’ny lalan-drano ary mivoaka any amin’ny lavaka famaniana ny atao hoe “infection urinaire”.
Maro ny antony mahatonga azy io, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Eo ny fipetrahana maharitra ka mahatonga ny amany miangona ary mampitombo ny otrikaretina ao anatin’ny tatavia. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fisotroan’ny olona rano. Manampy izany ny fihazonana amany maharitra ao anatin’ny fotoana ela. Ankoatra izay, ny fanaovana silipo tsy madio tsara, na tery loatra, ary ny fisasana amin’ny rano na fitaovana tsy madio ihany koa. “Raha ho an’ny zazalahikely mbola tsy voafora manokana, kely loatra ny lavaka hivoahan’ny valan-drano. Matetika miangona ao amin’ny tatavia ny amany fa tsy tafavoaka hatramin’ny farany”, hoy ny mpitsabo
etsy 67 ha, Rakotonindrina Norbert.
Te hivalan-drano
matetika
Maro ny fisehoan’ny aretina amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Voalohany, mivalan-drano matetika ny olona iray. Te hamany isaky ny mihetsika nefa avy eo tsy mahalatsaka na kely fotsiny no latsaka. Mangirifiry ihany koa rehefa mivalan-drano. Misy fofona ny fivalanan-drano na mety misy ra kely na menamena ihany koa izany. Ankoatra izay, ny fisian’ny faritra marary eo ambany foitra sy eo amin’ny faritry ny tatavia. Mamaly any amin’ny lamosina ihany koa izany avy eo dia anisan’ny fambara.
Ilaina ny fisotroana rano betsaka sy ampy ao anatin’ny iray andro, mba hisorohana ny aretina. Mandeha mivalan-drano avy hatrany raha mahatsapa fahaporetana. Ankoatra izay, tokony hanao atin’akanjo madio tsara ny vehivavy.
Antony mahatonga ny aretina ny tsy fahaizana misasa
“Anisan’ny antony mahatonga ny aretina eo amin’ny vehivavy ny tsy fahaizana misasa, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany. Fositra tena mahatonga ny otrikaretina amin’ny ankapobeny izy io”, hoy kosa ny mpitsabo eo anivon’ny toeram-pitsaboana iray etsy Ankasina, Judica Soloniaina. Nilaza izy fa tokony hanana fahazarana tsara ny vehivavy rehefa misasa. Nohazavainy fa avy any aloha, izay vao mankany aoriana, mba tsy hisian’ny otrikaretina miditra any amin’ny tatavy. Nohamafisiny fa ny tanana avy any aoriana tsy hoentina mankany aloha rehefa misasa. Eo ihany koa ny fisotroana rano betsaka. Tokony hahalany rano 1 l sy tapany eo ny olona iray mba hanadiovana ny any anatin’ny vatana any.
Mety hitarika amin’ ny aretin’ny voa
Mety hiparitaka amin’ny vatan’ny olombelona ny otrikaretina raha sanatria ka tsy voatsabo ara-potoana ny “infection uriniare”, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany. « Mety hitarika amin’ny aretin’ny voa sy ny homamiadana… Azo tsaboina 100% ny aretina”, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. “Miankina betsaka amin’ny tanjaky ny hery fiarovan’ny olona ihany koa anefa ny fitsaboana”, hoy hatrany ny Dr Rakotonindrina Norbert, mpitsabo etsy 67ha.
Ankoatra izay, mieritreritra ny ankamaroan’ny olona fa tokony hisotro tambavy na mangidy rehefa tratran’ity aretina ity. Misy ihany koa ny mihevitra fa vokatry ny fihinanana mamy be loatra ny mahatonga azy io. Nohamafisin’ny mpitsabo hatrany fa na mihinana mamy na tsia dia mety ho tonga foana ny aretina. Nodisoin’ny mpitsabo hatrany fa tsy sitran’ny fisotroana mangidy ity aretina iray ity.
Nanatontosa : Mino