Kitra – “Can 2024” : efa niakatra kianja i Dimby

Ny alahady 14 janoary lasa teo no niakatra kianja voalohany i Dimbiniaina Andriantinarivelo, ilay Malagasy mpitsara baolina kitra any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, “Can 2024”. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Houphouet Boigny, Abidjan Côte d’Ivoire. Nandraisany anjara tamin’izany ny fihaonan’i Mozambique sy i Egypte, ho an’ny vondrona “B”, ka nitana ny toeran’ny mpitsara anjorony izy, nandritra ny lalao. Niaraka taminy ilay Togole, Jonathan Ahonto. Nitantana ny fihaonana teo afovoan’ny kianja kosa ilay Maoritanianina, i Beida Dahane. Mpitsara fahefatra ilay maorisianina, i Ahmad Nazeer Hossem. Tontosa hatramin’ny farany ny lalao, izay nisaraka tamin’ny isa mitovy 2 no ho 2. Niarahan’ny rehetra nahita fa voafehin’i Dimby tsara ny fitsarana ny lalao tamin’ity.
Tsiahivina fa efa naneho ny fahaiza-manaony nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy U17, natao tany Indonesie, ny taona 2023, izy telo mirahalahy ireo.

Tompondaka

Partager sur: