Orange Digital Center Champions : nankasitrahana ny ekipan’ny Misa

Nivoaka ho mpandresy, nitana ny laharana voalohany, ny ekipan’ny Misa manoloana ny ekipa 15 hafa avy amin’ny firenena maro eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Fifani­nanana “Orange Digital Center Champions”.
Nidera manokana ny haavolentan’ny fiofanana eo anivon’ny Misa sy ny fahaizan’ireo tanora ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frederic Debord. Notolorana amboara sy loka fankaherezana ireo tanora efatra mianadahy mendrika ireo.
Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Coding (Orage Digital Center Cham­pions) no nahazoan’ireto mpianatra avy eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo ireto ny laharana voalohany.
Vokatr’io fandresena io, notolorana efitra iray ampy fitaovana ny oni­versiten’ An­tananarivo ankoatra ny fiofanana maimaimpoana momba ny teknolojia. Ity fifaninanana ity izay nokarakarain’ny tambajotra Orange Digital Center, noho ny “Can 2023” izay tanterahina any Côte d’Ivoire.
Tanjona ny hanasongadinana ireo talenta vaon’ny tanora momba ny teknolojia manodidina ny ordinatera aty Afrika sy Moyen Orient. Ho fampirisihana koa ny fiaraha-mientan’ny ekipa. Nahitana mpianatra avy amin’ny oniversite samihafa ireo vondrona.
Ny fifaninanana nasionaly teto Madagasikara, nahitana ekipa mpandray anjara avy amin’ny sekoly ambony miisa sivy. Ny Misa no nivoaka mpandresy tamin’izany ary nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Tatiana A

Partager sur: