“RDJ Mozika 2023”. Nivoaka omaly ny lisitry ny sokajy hisafidianan’ny mpankafy amin’ity. 20 aloha hatreto ny sokajy nofantenan’ny komity mpanomana. Misy ireo efa tao hatramin’izay, fa ny ankamaroany kosa nanaraka ny fitsoky ny rivotry ny mozika tamin’iny taona nivalona iny. Hanampy ireo ny “artiste de l’année” sy ireo mety sokajy fanomezam-boninahitra hafa.
Manana hatramin’ny 21 janoary 2024, hanohanana an’i Anisha Jo, izay tafita amin’ny dingan’ny famaranana “Africia Music Awards” ny mpanohana azy. Zadéo, teratany Filipinina no mifanandrina aminy amin’ izany dingan’ny famaranana izany. Marihina fa ao amin’ ny sokajy “Coup de Coeur 2023” no misy azy, amin’ny alalan’ny rakikirany “Lumière”.
Nahitana atrikasa maro, ho an’ny sokajin-taona rehetra, teny amin’ny IFM Analakely, omaly. Anisan’ izany ny niarahana tamin-dRakotoniera Volaniony, natao ho an’ny ankizy latsaky ny enina taona. Ankoatra ny maha fampianarana haikanto azy, tanjona ihany koa ny hitaizana ny ankizy.
Hiverina ny fianarana piano sy sary ao amin’ny AFT Andavamamba. Hanomboka amin’io volana febroary io izany, hiarahana amin’ny Centre académique de musique Ramahefason, isaky ny sabotsy maraina. Iarahana amin’ny Plum’Art kosa ny haisary, ny tapakandro hariva.