Toamasina : mirongatra ny fitrandrahana akorandriaka

Mitaraina ireo vondron’ny mpanjono ao Toamasina, fa mirongatra ny fitrandrahana akorandriaka (corail). Soka­jiana ho anisan’ny karazam-biby anaty ranomasina, ny «corail», saingy manana endrika vato. Nambaran’izy ireo fa mahatratra hatrany amin’ny 10 taonina isan’andro io akorandriaka alain’ny olona io, izay amidy eny an-tsena. Manaitra ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Jono Atsinanana izy ireo handray andraikitra sy ny fepetra manoloana izany, amin’ny fampiharana ny lalàna manan-kery.
Tandindomin-doza koa ny akorandriaka ankehitriny, vokatry ny fiakaran’ny hafanana noho ny fiovan’ny toetr’andro. Maty izy ireo, ka lasa manompy fotsy ny lokony. Eo koa, ny fitrandrahan’ny olombelona, toy izao mampitaraina ny mpanjono ao Toamasina izao. Ampiasaina amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa amin’ny toeram-pivoahana (fosse sceptique) ny akorandriaka «corail».
Ankoatra izany, nankasitraka ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra tamin’ny nitazonana ny minisitry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPEB), Tsimanaoraty Mahantante Paubert, ny vondron’ny fikambanana zanak’Androy ao Toamasina. Nambaran’ny filohany, Mahateky, fa nahazo tombony izy ireo, ary vonona hanohana izay kandidà ho ben’ny Tanàna sy ho solombavambahoaka.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: