Takalonaina miisa efatra nentin’ny dahalo, tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, distrikan’Antsahalova, ny alin’ny 16 janoary teo. Mbola tsy nisy tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ireo olona ireo. Raim-pianakaviana iray hafa koa nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ ny fokontany Mahazoarivo, anatin’io distrika io ihany.
Zazavavy folo taona naolan’ny sakaizan’ny mpampianatra nitaiza azy, tao Amontana, Fianarantsoa, herinandro vitsy lasa. Nifanaraka ny rain’ ny zaza fa apetraka tao amin’io mpampianatra io ilay zaza folo taona, noho ity farany tsy manan-janaka. Naolan’ny sakaizany anefa ilay zaza. Nitory ny fianakaviana saingy niala maina.
Lehilahy nikasa hanolana vehivavy nifanenjehan’ny fokonolona, tao Mahazoarivo, distrikan’i Vondrozo, ny zoma lasa teo. Nisotro alikaolo ilay ramatoa nandritra ny lanonam-pianakaviana natrehiny. Namonjy fodiana hatoritory izy no narahin’ilay lehilahy. Norahonan’ity farany ho vonoina ilay ramatoa ka niantso vonjy.
Vehivavy sy lehilahy voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, teny Ambohitrimanjaka, ny talata 16 janoary teo. Noraisim-potsiny teo am-pivarotana rongony izy roa ireo. Nahatrarana fonosana rongony 116 teny amin’io vehivavy io. Amidiny 1 000 Ar ny fonosona iray.