Tsena : hotsirihina isan’andro ny vidin’entana

Hitsirika ny vidin’entana eny an-tsena, isan’andro, ny kaomisera sy ny mpanara-maso ny varotra sy ny fanjifana. Hojerena manokana ny fampiharana ny lalàna sy fanajana ny fitsipika mifehy ny varotra sy ny vidin’entana, isorohana ny fanararaotana.

Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny sehatry ny varotra hitsinjovana ny mpiara-belona sy ialana amin’ny fanararaotana. Noho izany, harahi-maso akaiky ny vidin’entana eny an-tsena. Nanomboka omaly ka hitohy isan’andro ny hetsika fitsirihana ataon’ny kaomisera sy ny mpanara-maso ny varotra sy ny fanjifana. Tanjona ny hampiharana ny lalàna sy fitsipika mifehy ny varotra. Ao anatin’izany ny fanajan’ireo mpandraharaha ara-barotra rehetra isan’ambaratonga ny lalàn’ny varotra, toy ny fananana ny taratasy ara-barotra manaporofo ny nihavian’ny vary. Ao koa ny fametrahana ny vi­din’entana mazava tsara, ny fanarahana ny fenitra eo amin’ny fitehirizana ny entana. Misy fiantraikany eo amin’ny vidin’entana any an-tsena ireo rehetra ireo ka tokony harahina antsakany sy andavany.
Natomboka teny amin’ny tsenan’Ankadindratombo sy Andoharanofotsy ny hetsika. Tsikaritra teny an-toerana fa manomboka eo amin’ny 2 400Ar-3 000Ar ny kilaon’ny vary. Tao anatin’ny roa volana mahery, marin-toerana ny vidim-bary.

Fehezina
“Entanina ny mpivarotra rehetra amin’ny fanajana ny lalàna ara-barotra hifehezana ny vidin’entana”, hoy ny tale jeneraly misahana ny varotra, Razanakoto Isidore, izay nitarika ny ekipany nidina ifotony, omaly. Notohizany fa hamafisina ny fanaraha-maso ahafahana mampihatra ny vidin’entana ara-drariny sy hisorohana ireo fanararaotana mihoapampana. Ankoatra izay, mi­jery manokana ny tantsaha mpamboly ny minisitera. Afaka mifaninana amin’ny vary nafarana ny vokatra eto an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: