“Tsika Jiaby Festival” any Frantsa : niampy tarika malaza 14 ny mpandray anjara

Tsy mbola nisy toa ity, na teto Madagasikara aza! Ankoatra ireo tarika am-polony efa nambara fa ho avy, niampy indray ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Tsika Jiaby Festival” any Frantsa.

Ho fanandratana ny mo­zi­ka malagasy. Fanam­by goavana be ny an’ny Mam’s Event, izay mikarakara ny “Tsika Jiaby Festival”. Ity ny hetsika goavana indrindra ho an’ny mozika malagasy hotontosaina any ivelany, ary azo antoka koa fa tsy mbola nisy hatramin’izay. Hotonto­saina mandritra ny 3 andro, ao amin’ ny Chateau de Courson, any Courson-Montloup izany, ny 18 hatramin’ny 20 mey ho avy izao.
“Niampy 14 ny tarika handray anjara amin’ity andiany 2024 ity. Mety mbola hisy mpanakanto tsy ampoizina ihany, fa izay tsy tafiditra anaty lisitra dia ezahina amin’ny andiany faharoa, ny taona 2025 indray”, hoy ny fanaza­van’ny mpikarakara. Ny tarika Mahaleo, Monika Njava, Justin Vali, Njakatiana, Tirike, Eddy Renaud, Tarika ‘Zay, Solo Razafindrakoto, Ralah Trio, Myra Maud, Kristel, Bolo, Ludysoa sy Nathan ary i Antsa sy i Mendrika no namarana ny lisitra tamin’ity herinandro ity. Hanampy ireo efa fantatra tamin’ny volana novambra, toa an-dry Ambondrona, tarika Rossy, Jaojoby, Olombelo Ricky, Samoëla, Rajery, Fenoamby, Babaï Lugu, Shyn sy Denise, Niu Raza, Marghe, Tempo Gaigy, JOhasina ary Rockurk izy ireo.
Hifandimby amina sehatra goavana mandritra ireo telo andro ireo ireto mpanakanto ireto. Hetsika mivelatra be satria tsy natao ho an’ireo teratany Malagasy monina any Eoropa ihany izy ity, fa ho an’ireo rehetra te hahafantatra ny mozika malagasy ihany koa. Tsy moramora ny nanangona sy nampifanandrify ny fo­toa­nan’ireto tarika ireto, in­drindra fa saika avy aty Ma­da­gasikara avokoa no hafarana izy ireo. Na izany aza, efa mipetrapetraka ny fanomanana, ary efa nisokatra tamin’ny volana desambra ihany koa ny famandrihana ny tapakila, ho an’ireo manam-bintana ka afaka hanatrika izany.

Zo ny Aina

Partager sur: