Manomboka ny ady toerana eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny. Efa mibosesika eny amin’ny biraom-panjakana ny olona. Tsy misy tany iainana ny minisitra amin’ny fandraisana ny mpitsidika, izay sady mirary soa no mikajy anjara “mofomamy”. Ny fifamindram-pahefana no ela dia efa manomboka ny ankisisika sy ny fifaminganana.
Eo indrindra no tiana hitondrana teny kely. Tsy voatery hiditra amin’ny fanovana olona ny minisitra vao notendrena. Izay no tena fifanohizan’ny asam-panjakana aminy. Hafa ihany ny efa manana traikefa sy zatra ny toeram-piasana. Tsy atoro voanjo hadiana na mbola homena tari-dalana, hampitarazoka ny asa. Iaraha-mahalala fa mila vokatra haingana ny vahoaka malagasy.
Tsy midika anefa izany fa tsy azo ahilika izay tsy mahavita ny andraikiny. Iaraha-mahalala fa maro ihany koa ny tale isan-tsokajiny napetraka tamin’ny toerany fotsiny satria namana na mahitahita tao an-dapa. Manaporofo izany ny vokatra azo tamin’ny dimy taona voalohany nitondran’ny filoha, Rajoelina Andry. Vainafo saika nandoro ny tanàna raha tsy hay tamin’ny ora farany ny manodidina azy.
Mazava iny ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra, tsy maintsy ialana ny kolikoly sy ny an-kaneritery. Tokony hatomboka amin’ny fanendrena izay ho mpiara-miasa izany. Miankina amin’ny olona hanankinana andraikitra rahateo no ahafahana mamaritra ny vokatra araka ny drafitrasa fototra sy ny vinan’ny minisitra.
Na izany aza, tompon’ny teny farany ireo nomem-pahefana. Izy no mahalala ny aty vilany feno arina. Malalaka ny safidiny amin’ny fifantenana ny mpiray minisitera aminy, hisorohana ny volo mpanoha randrana, na sanatria fandoto iray tandroka. Mila malina amin’ny fanendrena olona. Tsy maika, tsy taitra kanefa tsy tara.
r.r