32 andro nalaina an-keriny: dimy mianaka natakalo 40 tapitrisa Ar

Iray volana mahery vao navotsotra ireo takalonaina miisa 5 nalaina tany Anjozorobe. Nandoa 40 tapitrisa Ar ny fianakaviana ho takalon’ny ain’izy ireo.

Nandoa 40 tapitrisa Ar, tafaverina tamin’ny fianakaviany ny dimy mianadahy mianaka nalain’ny dahalo an-keriny tao Ambo­hibary Vohilena, ny alatsinainy teo. Nentin’ny olon-dratsy tany anaty ala avokoa ireo olona miisa dimy ireo. Nifandray tamin’ny alalan’ny telefaonina tamin’ny fianakavian’ireo natao takalonaina ireo ary nitaky volabe ireo mpaka an-keriny. Naharitra 31 andro ny fifandresen-dahatra teo amin’ny roa tonta. Tapa-kevitra ny fianakaviana fa handoa ny vola. Tahotry ny ho very havana, tsy niara-niasa tamin’ny mpitandro filaminana ireo fianakaviana lasibatra tamin’ny fotoana hanaterana ny vola teny amin’ireo dahalo mpaka an-keriny. Tontosa tao amin’ny fokontany Ankarongana, kaominina Marotsipoy anatin’io distrika io, ny fifanakalozana ny vola sy ireo takalonaina. Vokany, avotra avokoa ireo olona miisa dimy teny am-pelatanan’ny dahalo. Renim-pianakaviana 48 taona ny iray tamin’izy ireo.

Hazalambo…

Nanao ny fanarahan-dia ireo dahalo tao amin’ny kizo voalaza ho nandosirany taorian’ny fahafatarana ny zava-misy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Hatramin’ny fotoana nanoratana, tsy mbola nisy ny fahatrarana ny olon-dratsy. Marihina fa mpanangom-bokatra sy mpamongady ao Vohilena ireo olona dimy lasibatry ny fakana an-keriny ireo. Tsy nisy nahiana ny ain’izy ireo, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. Andra­sana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: