Ambohidratrimo Marovatana: hamerina sy hanandratra ny kolontsaina fanorona

Ho tanterahina ny 10 sy 11 febroary ho avy izao “Festival Fanorona Marovatana”. Eo am-pamaranana ny fikarakarana ny tomponandraikitra, ankehitriny.

Raikitra izany! Handray ny “Festival Fanorona Marovatana” ny eny amin’ny kaominina Ambohi­dratrimo. Haharitra roa andro ny hetsika, karakarain’ny eo anivon’ny Vovonana Nasio­nalin’ny Fanorona Malagasy. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany i Zama Be, tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny fanorona. Manampy azy ny mpiara-miasa aminy. Tanjona ny hiaraka hanandratra sy hamerina indray ny kolontsaina fanorona, indrindra ao anatin’izao vanim-potoana izao. Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny hetsika maro samihafa handravaka izany.

Fotoan-dehibe
Hanatantara ho an’ny mpan­dala ny kolontsaina malagasy, indrindra ny mpikirakira fanorona, ny 10 sy 11 febroary 2024 izao, eny Marovatana Ambohidratrimo. Voalohany, hisy ny lalao fanorona misokatra ho an’ny rehetra. Arahina valandresaka momba ny fanorona sy ny tantara ary ny kabary izany. Hifarimbona, hanao ny fizarana ny mpahay tantara maro. Anisan’izany ny Pro­fesora Ranjatohery Harilala, izay mpikambana eo anivon’ny Akademia Malagasy sy anisan’ny mpikabary zokiolona eo anivon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Hamaranana azy ny velakevitra mahakasika ny fanorona sy ny sikidy ary ny fanandroana.
Kilalaon-tsaina anisan’ny manana ny maha izy azy sy efa ela indrindra ny fanorona. Raha ho an’ny teto Madagasikara manokana, efa tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka no nahitana izany. Nandritra ny fanjakan’Andrianampoinimerina izy no tena nahazo laka. Ankehitriny anefa efa manomboka takona sy very ny hasin’ity kilalao ity. Izany rehetra izany no nahatonga ny mpikarakara hanao izao Festival izao, ho famerenana sy fanandratana indray izany kolontsaina fanorona izany.

Lin

Partager sur: