Tazonina hanaovana famotorana, nanomboka afakomaly, ao amin’ny biraon’ny polisy, kaomisaria foibe Atsimondrano, ilay rangahy nandoro ny vadiny tao an-tranony, eny Mahabo Andoharanofotsy. Ny alin’ny faran’ny taona 2023, nisy trano may teny Mahabo Andoharanofotsy. May tao anatin’io trano io ny ramatoa lehibe iray. Novonjen’ny fokonolona izy ka nentina haingana tao amin’ny CSB2 Andoharanofotsy saingy tsy avotra ny ainy. Rangahy 68 taona, vadiny ihany anefa no tompon’antoka tamin’izany. Lasa nandositra izy taorian’izay rehefa avy nandoro ny trano. Tratra teny Ankadinandriana, afakomaly, izy rehefa nanaovan’ny polisy vela-pandrika. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy. Nolazainy fa disadisa teo amin’izy mivady no anton’izao vonoan’olona nataony izao.
J.C