Tahotra noho ny asan-dahalo! Nitsoa-ponenana ny mpiasam-panjakana tao amin’ ny kaominina Andranomiely, distrikan’Ankazobe, taorian’ny namonoan’ny dahalo ny ben’ny Tanàna. Nahatsiaro tena ho mandry tsy lavo loha ireo mpampianatra sy dokotera miasa ao an-toerana ka samy nandao ny toeram-piasany avokoa. Etsy ankilany, miteraka fahasahiranana ho an’ireo mponina izany toe-javamisy izany.
Nanatontosa fivoriana, araka izany, ny OMC ao amin’ ny distrikan’Ankazobe, omaly. Niara-nidinika amin’ny fomba hamahana haingana ny olana sedrain’ny mponina ao Andranomiely izy ireo. Lohalaharana amin’izany ny famerenana ireo mpiasam-panjakana nitsoaka noho ny tahotra nateraky ny tsy fandriampahalemana. Nanamafy kosa ny mpitandro filaminana fa tsy misy atahorana intsony ho an’ny lafiny filaminana. Mihatrana eny an-kianja avokoa ny zandary sy ny miaramila.
Tsiahivina, nidiran’ny dahalo nitam-piadiana tao an-trano fonenany ny ben’ny Tanàna tao Andranomiely ka maty voatifitra, ny alahady 7 janoary teo. Nokasain’ireo dahalo halaina an-keriny koa ny vadin’io namoy ny ainy io saingy tafandositra nandritra ny sakoroka.
Tsiferana R.