Fahatsiarovana an’i Madame ZO: handray anjara ny Compagnie Tahala

Anisan’ny handray anjara amin’ny hetsika fampahafantarana ny katalaogy mirakitra ny haikanton’i Madame Zo, eny amin’ny Fondation H Amba­tomena, ny Compagnie Tahala de Tamatave. Hetsika izay hatao ny sabotsy 20 ja­noary 2024. «Mpihaza Ri­votra » no anarana nampitondrain’izy ireo ity soradihy ho ataon’izy ireo ity. Dinampitia Zoe no namorona sy namolavola ity soradihy ity. Araka ny nambarany, noforonina manokana ho amin’izao hetsika lehibe izao ity noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin’i Madame Zo sy ho fanomezam-boninahitra azy.
Efa vonona ny Compagnie Tahala de Tamatave, hiantoka ny seho an-tsehatra atao mandritra ny fampahafantarana ny katalaogy mirakitra ny haikanton’i Madame Zo. Araka ny fandaharam-potoana, ny tapany hariva no hanaovana ny seho an-tsehatra. Angelico Kirkou, Arnel Edrice Mitso, Tokiniaina Thierry Rako­toni­aina ary i Andoniaina Raza­finarivo no handihy amin’io fo­toana io, miaraka amin’ny mozikan-dRandria­mana­tena Tonny Nasia. Hisalotra ny ankajo nozairin’i Madame Zo koa izy ireo mandritra izany.

Lin

Partager sur: