Malaina mandoa hetra ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Mbola mila ezaka mafy ny fanentanana ny rehetra hanao izany. Ezaka ataon’ny kaominina maro ny fidinana eny ifotony, mitety fokontany, mba hanentanana ny olona mahakasika izany. Efa nisy ihany koa ny ezaka nataon’ny Foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra manoloana izany.
“Somary malaina ny mponina handoa hetra noho ny fahasahiranana ara-bola”, hoy ny chef de division misahana ny hetra eo anivon’ny kaominina Ampitatafika, Rakotomavo Rivo. Amin’ny ankapobeny, nanodidina ny 18% teo ny hetra niditra teo anivon’io kaominina io, tamin’ny taona 2023, raha ny tatitra voaray teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany, ny hetra alaina amin’ny tany sy ny trano miorina. Ao anatin’ny fahasahiranana ara-pivelomana sy ara-bola avokoa ny ankamaroan’ny olona ka antony nahatonga azy ireo tsy narisika amin’ny fandoavan-ketra, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tanjona ny hampiakarana sy hanatrarana ny hetra miditra ho 50%. Mbola tsy tratra izay tanjona izay hatramin’izao ary mbola mila ezaka goavana. Misy ny paikady ataon’ny kaominina sy ny tomponandraikitra maro samihafa amin’ny fanentanana ny olona handoa hetra. Anisan’izany, ny fidinana ifotony eny anivon’ny fokontany hanentanana ny isan-tokantrano mahakasika izany.
Mampandroso sy manatsara ny fitantanana ny hetra
Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fandoavan-ketra, noho ireo karazana tamberin’andraikitra maro samihafa azo avy aminy. Na ho an’ny vahoaka izany na ho an’ny kaominina na ho an’ny fanjakana. Tena mandroso ny tanàna sy ny faritra raha toa ka mandoha hetra avokoa ny mponina ao aminy. Mangataka fanamboarana sy fanavaozana zava-baovao eny amin’ny tanàna misy azy foana mantsy ny olona, raha ny fanadihadiana hatrany. « Miteraka asa maro sy fanavaozana ny faritra sy ny tanàna ny fandoavan-ketra ataon’ny vahoaka », hoy ny ben’ny Tanàna Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Raha ho an’ny kaominina tantaniny manokana, anisan’ny voatsangana tamin’izany, ny sekoly, ny fanamboaran-dalana. Eo koa ny fanajariana ny tontolo iainana, toy ny fambolen-kazo. Manampy izany ny fametahana jiro manazava ny lalana, mba hiantohana ny fandriampahalemana. Mahatratra hatramin’ny 181 ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao anatin’ny kaominina. Nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina fa entina hanasoavana ny vahoaka eny ifotony ihany ny vola azo avy amin’ny hetra fa tsy natao handoavana karaman’ny mpiasa sy ny faritra akory. Toy ny fanamboarana biraom-pokontany, tetezana, fampidirana jiro anelakela-trano, fanamboarana lalana,… izany. Manodidina ny 2 300 hatramin’ny 2 000 000 Ar ny hetra isan-taona alohan’ny olona iray manana trano. Amin’ny alalan’ny “eHetra” sy “e-HetraPhone”, ary eny amin’ny centre fiscal ny handoavana ny hetra. Misy ny sazy mihatra amin’ny fahatarana sy ny tsy fandoavan’ny olona izany.
Ho an’ny rehetra ny fandoavana hetra
Tokony handoa hetra avokoa ny olona rehetra manana fidiram-bola. Misy karazany roa ny hetra. Eo ny hetra mivantana sy tsy mivantana. Natokana ho an’ny olona manana fidiram-bola, na miasa tena na miasa amin’ny olona na manana orinasa an’ny tena manokana, ny hetra mivantana. Arakaraka ny vola maty ny hetra aloa, amin’ny ankapobeny. Misy amin’ireo hetra ny miditra any amin’ny kitapombolam-panjakana foibe. Eo koa ny miditra ho an’ny kitapombolan’ny kaominina sy ny faritra, toy ny hetran-tany sy ny hetran-trano. Marihina fa 1 475 000 ny mpandoa hetra manerana ny Nosy, ny taona 2022. Raha toa ka 375 000 kosa izany ny taona 2019.
Maro karazana ny hetra tokony haloan’ny vahoaka eny ifotony. Toy ny hetra alaina amin’ny tany sy ny trano miorina ary amin’ny fiarovana ara-tsivily. Eo koa ny hetra amin’ny fonenana ho an’ny fampandrosoana ary amin’ny haba fivahinianana. Ankoatra izay, ny haba alaina amin’ny fikarakarana fety, seho sy karazana hetsika maro samihafa, amin’ny fampiasana pylones… Misy koa ny haba amin’ny lalao atao amin’ny onjampeo sy fahitalavitra, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (CGI-Code général des impôts).
Nanatontosa : Mino