Fandrindram-piterahana : vehivavy 3 tapitrisa mahery hisitraka anatin’ny 100 andro

Tafiditra ao anatin’ny andry lehibe telo iompanan’ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’izao 5 taona manaraka izao ny sehatry ny fahasalamana. Hisitraka fandrindram-piterahana maimaimpoana ireo vehivavy 3 tapitrisa mahery…

Nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra afakomaly, ny momba ny fandrindram-piterahana izay hanaovana ezaka ao anatin’ny 100 andro. Vehivavy miisa 3 220 000, manerana an’i Madagasikara no hisitraka izany, ao anatin’io fe-potoana voafaritra io.
Voalaza fa zava-dehibe ho an’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry ny fandrindram-piterahana. Araka izany, hatao maimaim-poana ny fanabeazana aizana ho an’ny vehivavy.
Misoroka ny fahasarotana sy ny loza mety hiseho eo am-piterahana ny fandrindrana izany. Mampihena ny risika amin’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza. Miaro amin’ny fahazoana zaza tsy irina mba tsy hahatongavana amin’ny fanalan-jaza koa.
Tetsy andaniny, voalazan’ny filankevitry ny minisitra fa tokony hosokafana sy atao izay hanodinana ao anatin’ny fotoana fohy ireo hopitaly miisa 30 (hopitaux de référence). Tanjona ny mba hanomezana fitsaboana ara-kalitao ho an’ny vahoaka malagasy.
Mila tohizana ny fananganana fotodrafitrasa sy ny fampitaovana manara-penitra. Efa natao fanamby, tsy maintsy tanterahina ny fametrahana ireo fitaovam-pitiliana ny ho­mamiadan’ny nono ho an’ny vehivavy amin’ny renivohi-paritany enina. Hotohizana amin’ireo faritra ambiny izany aoriana kely. Toraka izany, ireo Scanners miisa 10 mila apetraka sy ampiasaina haingana.
Hapetraka isaky ny distrika ny toeram-pandidiana sy toeram-pitsaboana nify. Hoto­hi­zana ny fitsaboana mitety vo­hitra, amin’ny alalan’ny “caravanes médicales” sy ny “cliniques mobiles”. Hitarina hatrany amin’ny CSB II ihany koa ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana vonjy aina na ny “fonds d’urgence médicale”. Laharam-pahamehana koa ny fitsaboana ny reny sy ny zaza vao teraka ary ny ankizy kely.

Tatiana A

Partager sur: