Fipoahana mahery vaika : lehilahy roa maty tsy tra-drano

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana roa, omaly atoandro. Nisy fipoahana mahery vaika tao an-tranon’izy ireo. Potika tanteraka ny tongotry ny iray, rotidrotika ny vatan’ny namany.
Zava-doza no nitranga tao amin’ny tokantrano iray, teny Marovohitra, kaominina Sam­baina, distrikan’i Manjakan­driana, omaly. Nisy zavatra nirefotra mafy be, fipoahana nampiahiahy. Vokany, lehilahy roa maty tsy tra-drano. Ny iray 53 taona, mponina eny Ante­tokely, izay tapaka tanteraka ny tanany havia sy ny tongony roa , ary rotidrotiky ny poti-by ny vatany. Ny namany kosa 59 taona, monina eny Amboh­i­janaka, izay feno lavadavaka nateraky ny vy ny tratrany sy ny vatany iray ma­nontolo.
Tokony ho tamin’ny mitataovovonana no nitranga ny loza. Araka ny fitantaran’ny mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo, mpitsindroka fako sy mpanamboatra radio simba izy mirahalahy. Asa, misy ifandraisany amin’izay ve? Mialo­ha ny fipoahana dia nisy na­ha­tsikaritra ny filanjan’izy ireo gony feno entana niditra tao an-trano. Fotoana fohy taorian’izay, nanaitra ny manodidina ny fipoahana mahery vaika.
Nidina ifotony, nizaha ny zava-nisy ny zandary sy ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB2 rehefa nahazo fampilazana tamin’ny mponina. Hisy iraka sy manampahaizana manokana avy amin’ny jenia miaramila hidina any an-toerana, anio, hanao fanadihadiana mahakasika ny anton’ny fipoahana.
Marihina anefa fa tsy nahita na inona na inona tao an-tranon’izy mirahalahy, rehefa nanaovana fisavana, ny mpitandro filaminana. Natolotra ny fianakaviana avy hatrany ny razana rehefa voazahan’ny mpitsabo.

r.r

Partager sur: