Fitantanana mpiasa : azon’ny Telma ny Top employer 2024

Azon’ny Telma tato anatin’ny telo taona nisesy indray ny mari-pankasitrahana amin’ny fomba fampiasan’ny orinasa ny mpiasa, ny « Top employer 2024 ». Porofo manamarina ny ezaka ataon’ity orinasa ity ny kalitaon’ny fomba fitantanana ny mpiasa (RH) izao loka fanintelony izao, izay azo sokajiana ho fitaratra ho an’ny hafa. Ao anatin’izany ny karama, ny tontolo ao am-piasana, ny fanajana ny fahasamihafana, ny fitsinjovana ny asa maharitra, ny fanomezan-danja ny talentan’ny tsirairay, ny fanomezana mari-pankasitrahana sy mariboninahitra ny mpiasa, sns.
Nilaza ny talen’ny fitantanana ny mpiasa (DRH), Gaël Voca, fa « mampiseho ny kalitaon’ny fitantanana ny mpiasa izao fahombiazana azo izao. Manamafy ny maha orinasa fitaratra eo amin’ny tsenan’ny asa ».
Notsipihin’ny Administratera tale jeneraly ( ADG) ny Telma, Patrick Pisal Hamida, fa « vokatra azo tao anatin’ny 20 taona nisian’ny orinasa ity mari-pankasitrahana ho an’ny mpiasa ity, satria ivon’ny tetikasa rehetra ataonay amin’ny lafiny fampandrosoana izany ».

Njaka A.

Partager sur: