Fokontany Manjakaray: novatsiana fitaovana ny sembana

Mihazakazaka ny fanatrarana ny tanjona amin’ny asa sosialy izay takina vokatra anatin’ny 100 andro. Nidina teny Manjakaray ny minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina, i Fomendraza Haingo Elisette, omaly. Namangy ireo tokantrano sahirana sy mitaiza olona manana fahasembanana mila tohana ny ekipa notarihiny.
Tamin’izany no nanolorany seza misy kodiarana, natokana ho an’ireo sembana ara-batana. Nomena fitaovana manampy amin’ny fandrenesana ireo marenina. Ankoatra izay, nisy ny kojakoja miampy sakafo nozaraina. Nosafidiana manokana ireo olona manana fahasembanana noho izy ireo olombelona manana zo sy anjara andraikitra eo amin’ny fiarahamonina.
Nohamafisin’ny minisitry ny Mponina fa mila vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fotoana fohy i Madagasikara. “Ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ihany no ahafahana manatanteraka izany”, hoy izy.
Nampahatsiahy ny fanovana toe-tsaina izay andrasana amin’ny tsirairay ny minisitra.
“ Tanjona ny mba tsy hijanonan’ny tokantrano amin’ny fahantrana. Fianakaviana manana toe-tsaina mioitra, miezaka miasa, mikiry mandresy izany no ilain’ny firenena”, hoy izy nandresy lahatra ny mponina.

Tatiana A

Partager sur: