Galerie Vellutini Isoraka: mandravaka ny toerana ny ranty hosodoko

Tanterahina eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, ny fampirantiana hosodoko, iarahana amin’ny mpahay kanto mpanao hosodoko maro. Am-polony izy ireo no mandranty ny asa tanany sy ny haikantony eny an-toerana. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hifampizara eo amin’ny mpankafy hosodoko sy ireo mpahay kanto, ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto, indrindra ny vao misandratra.
Ivontoerana iray, manome sehatra sy mampiroborobo ny haikanto koa ny eny amin’ny Galérie Vellutini Isoraka. Seho momba ny hosodoko no hita eny an-toerana mandritra izany. Mampiranty ny haikantony eny ny Collectif Moara, Thamus Painter & Tattoo artist, Timoty Amiel, Ludo Rajoelison, Dina Mitia Rabe­arivelo, Heryfield Mathilda Bezara, Mendrika Ratsima, POnk Lucas Sergio Andria­nanja, Naty kaly, Zongo Bilaky ary Jean Nirina. Mai­maimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny fampirantiana.

Lin

Partager sur: