Hopitalin-jaza : karazan’aretina telo tena mpahazo ny marary

Trangan’aretina telo no tena mpahazo ny zaza eny amin’ny hopitaly amin’izao fo­toana izao. Nivoitra izany, araka ny fanazavan’ny Dr Andriamparany Nivoarilala, mpitsabo sady tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza, Tsaralalàna (CHUMET).
Matetim-pitranga amin’izany ny aretin-tratra na ny Bronchiolite. Mikohoka sy manavy ary mety ho sempotra ilay zaza. Raha tara ny fitsaboana, mety hiafara amin’ny fahafatesana. Ny Mahatonga azy ny tsy fitandremana amin’ ny fahadiovana ka manome vahana ny otrikaretina na “virus”.
Aretina faharoa mpahazo ny zaza ka hidirany hopitaly ny tsy fanjarian-tsakafo, in­drindra eo amin’ny zaza latsaky ny enim-bolana. Tsy ampy ny singa entin’ny sakafo haniny ka mahatonga fikorontanana. Miha mahia ny zaza na mibinabina, lasa marefo avieo. Mora handairan’aretina ny marary vokatr’izany ka mananosarotra ny fikarakarana. Ireo zaza vao teraka hatramin’ny faha enim-bolana no matetika tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Fositra mahatonga izany ny fisian’ny renim-pianakaviana tsy mampinono.
Fahatelo ny fahasarotana eo am-piterahana. Miteraka fikorontanana amin’ny fivoaran’ny zaza na ny fahasalamany amin’ny ankapobeny izany. Mety hifanintona ilay zaza, vokatr’izany. Tsy manara-maso ny vohoka eny amin’ny tobim-pahasalamana ilay reny nandritra ny fitondrany vohoka. Tsy manatona hopitaly na CSB rehefa hiteraka kanefa mety ho saro-piterahana.

Tatiana A

Partager sur: