INDRAY MIJERY

Ho betsaka ny rotsakorana any amin’ny faritra afovoany atsinanana, hatry ny omaly, sy any amin’ny faritra Diana, manomboka ny alahady. Noho ilay tangoron-drahona sy ny Zone de convergence inter-tropicale no mahatonga izany. Filazana fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Atsinanana ary miloko maitso ho an’ny Diana.

Toeram-pampianarana teny sinoa lehibe voalohany ny Institut Confucius ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo. Nandray anjara lehibe tamin’ny fanamafisana ny finamanana teo amin’ny vahoaka roa tonta sy ny fampivoarana manokana ny mpianatrany fisian’izany.

Mandray anjara amin’ny fanampiana ireo traboina vokatry ny rivodoza farany teo ny Holafitry ny farmasianina. Nanolotra fanafody ho an’ny faritra Fitovinany ny fianakaviamben’ny farmasianina ho fanampiana sy hiatrehina ny tranga miseho amin’izao fahavaratra izao.

Sehatra maro no iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony miasa amin’ny Collectif des professeurs. Eo ny fanokafana sy fanomezana tosika ny Oniversite any amin’ny faritra, ny fanaraha-maso akaiky ny « Ecoles Doctorales ».Eo koa ny tolo-dalàna mahakasika ny fahaleovantenan’ny Oniversite, ny paikady hoenti-mampiroborobo ny fikarohana…

Partager sur: