MJS : hanangana akademia avo lenta

Mitohy hatrany ny fanatsarana eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Taorian’ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, namoaka ny laharam-pahamehany ny MJS. Voalaza nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany, afakomaly, voaporofo fa mampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanatanjahantena. Noho izany, Tsy maintsy hatsangana, ny Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahan-tena. Tsy hiandrasana ela izany, araka ny nambaran’ny minisitra Resampa André Haja nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ity filankevitry ny minisitra ity. Ho fanohanana ireo atleta sy ho fanomezana izy ireo, ao anatin’ity Akademia avo lenta sy raitra hajoro ity.
Hisy ny fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ho an’ny atleta. Tanjona ny mba hahafahana mahazo vokatra tsara amin’ny fifaninanana hatrehina, indrindra ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Mi.Raz

Partager sur: