Azo anokafana kaonty Orange money na tambajotra hafa aza. Vita anatin’ny 5 minitra monja ny fanokafana izany. Fiovana goavana no entin’ny orinasa Orange Madagascar amin’ireto tolotra vaovao sy miavaka nampahafantarina omaly, tetsy Ankorondrano, ireto. Tsy mitsaha-mivoatra manaraka ny toetrandro sy manome fahafaham-po ny mpanjifa ny tontolon’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Afaka manokatra kaonty Orange Money ao anatin’ny dimy minitra monja sy amin’ny alalan’ny findainy ny tsirairay. Voalohany eto Madagasikara sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny tolotra noho izy azo sokafana amin’ny alalan’ny tambajotra rehetra misy eto an-toerana. Izany hoe, mety sy sahaza amin’ny laharana ampisain’ny mpanjifa tsy ankanavaka rehetra manana karapanondro. Araka izany, tsy voatery manatona botika na “point de vente” Orange intsony ny mpanjifa fa vitany amin’ny alalan’ny rindran-kajy (Application) “Orange Money Afrique” ny fanaovana izany.
Milamina
Tombony amin’ny fampiasana ny tolotra ny fahafahana mitahiry vola, mandoa vola eny amin’ny fivarotana mandray Orange Money, ny fandoavana faktiora, handraisana karama sns. Tsy mikirakira lelavola intsony ny mpanjifa fa vita amin’ny alalan’ny finday avokoa izany. Afaka mitahiry vola hatrany amin’ny 20 tapitrisa Ar ny mpisitraka. Manana fahafahana manokatra kaonty folo amin’ny alalan’ny findainy ihany koa ny tsirairay.
Henintsoa Hani