Taom-pampisehoana 2024: hifaninanana ny seho goavana sy tsara kalitao

Raikitra! Hisokatra afaka herinandro vitsy ny taom-pampisehoana ho an’ny taona 2024. Efa naka bahana amam-bolana ireo mpanakanto sy mpikarakara, hifaninana amin’izany. Efa samy mandrangaranga ny tetikasany sahady…

Manodidina ny Fetin’ny mpifankatia hatrany ny fanombohan’ny taom-pampisehoana eto Madagasikara. Saika seho anaty efitrano ihany anefa, satria mbola anaty vanim-potoan’ny orana izany. Ny volana marsa eo kosa ny tena fanombohan’ny seho an-kalamanjana. Raha tarafina amin’ny famandrihana ny toeram-pampisehoana, lasa aloha kokoa ny fisokafan’ny taom-pampisehoana amin’ity 2024 ity. Ny faran’ny volana marsa no tena be mpamandrika indrindra, satria amin’io ihany koa ny fetin’ny Paka. Lava ny faran’ny herinandro, izay ialohavan’ny 29 marsa, andro tsy fiasana. Saika efa voafandrika avokoa ireo toerana fitsangatsanganan’ny mpianakavy sady azo hanaovana fampisehoana, ny alatsinain’ny Paka 1 avrily.
Ho mafy ny fifaninanana eo amin’ny mpanakanto sy ny mpikarakara fety amin’ity. Ny antony, tsy tontosa hatramin’ny farany ny taom-pampisehoana tamin’ny taon-dasa, noho ny fisian’ireo hetsika goavana teto amin’ny firenena, dia ny lalaon’ny Nosy sy ny fifidianana filoham-pirenena. Mazava loatra fa any amin’ny kalitaon’ny seho sy ny fandaharana ny mpanakanto hampiakarina an-tsehatra no tena fanamby goavana miandry ireo mpikarakara.
Ho an’ny sendikan’ny mpikarakara fampisehoana eto Madagasikara na ny Synops, efa nahatontosa ny fivoriana mialohan’ny fanombohan’ny taom-pampisehoana izy ireo. Fotoana iray nampitoviana tadin-dokanga io, na dia mpifaninana any anaty asa aza. Tontosa nandritra izany ihany koa ny antsapaka ho an’ireo mpikarakara izay handray ny alatsinain’ny Paka sy ny alatsiniain’ny Pentekôty, ao amin’ny Coliseum. Ireo daty roa ireo mantsy no tena ifarombahana, satria heverina fa be mpijery hatrany ao amin’io toerana io.
Ankoatra ireo mpanakanto malagasy malaza, efa mandeha ny resaka fa hisy mpanakanto vahiny maromaro ho avy eto Madagasikara amin’ity taona ity. Tsy misy mbola manamafy izany aloha hatreto, ireo mpikarakara. Ny zavatra iray efa azo antoka, zara raha misy daty azo hanaovana fampisehoana sisa ny ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Nitombo isa ihany koa ireo “festivals” isam-paritra, izay saika andiam-pampisehoana avokoa ny tena manamarika azy.

Zo ny Aina

Partager sur: