Ambato Boeny : dahalo dimy voasambotra

Nataon’ny tafika hazalambo ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby tao Akamakama, kaominina Ankirihitra, distrikan’Ambato Boeny, afakomaly. Nalain’io dahalo io ny omby miisa roa ka nentiny nandositra. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Voasambotra nandritra ny sakoroka ny dahalo iray. Natao famotorana, nitoroka ireo olona efatra mpiray tsikombakomba aminy izy. Noraisim-potsiny taorian’ny vela-pandrika ireo olona voatonona anarana. Naverina amin’ny tompony ny omby halatra. Mitohy ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana hamongorana ireo da­halo.

Tsiferana R.

Partager sur: