Mirongatra ny fanaovana hosoka. Lehilahy iray mpikirakira vola sandoka voasambotra tao Antalaha.
Voasambotry ny zandary tao Antalaha, afakomaly, ny lehilahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 1 319 000 Ar. Nilaza izy fa novidiany tamin’olona sendra nandalo io vola io ka vola sandoka 1 700 000 Ar sy vola tena izy 200 000Ar. Velon-taraina ny mponina ao Antalaha noho ny fiparitahan’ny vola sandoka. Rehefa tsena no tena ahitana ireo vola sandoka miparitaka ireo. Ny 13 janoary 2024 lasa teo no nahitana vola sandoka niparitaka tao an-tsena. Nisy tamin’ireo olona tao an-tsena anefa no nahafantatra ity jiolahy mpanaparitaka vola sandoka ity ka nampandre haingana ny zandary. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny zandary mba hahafahana misambotra azy. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Niaiky izy, nandritra ny famotoran’ny zandary, fa nanaparitaka ireo vola sandoka ireo. Nambarany fa misy olona mpiray tsikombakomba aminy amin’izao raharaha izao. Nambaran’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Antalaha, ny GPHC Tsiresy Zafisolo, fa vaindohan-draharaha ny fanenjehana ny fanaovana vola sandoka satria manimba fiainan’olona maro izany. Mitohy, araka izany, ny famotorana azy. Eo am-pikarohana ireo namany mpiray tsikombakomba aminy koa ny zandary.
J.C