Hisokatra manomboka ny 23 janoary 2024 hatramin’ny 23 febroary 2024 ny fisoratana anarana fandraisana anjara amin’ ny «Championnat de lecture» andiany fahenina, karakarain’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba. Ny 28 febroary 2024 hatramin’ny 27 marsa 2024 no hanaovana ny fifaninanana, eny an-toerana ihany. Ankoatra ny maha fifaninanana azy, tanjona koa ny hampitombo ny fahaiza-manaon’ ny ankizy amin’ny fahafehezana ny teny frantsay, eo ihany koa ny fiakarana an-tsehatra sy fitenenana imason’olona.
Nitondra fanatsarana ny mpikarakara ny hetsika raha mitaha tamin’ny andiany taloha. Anisan’ny mampiavaka ity andiany fahenina ity ny fahafahan’ny ekipan’olon-droa miaraka, mandray anjara. Raha tsiahivina, ahitana sokajy telo ny fifaninanana. Misy ny sokajy «Junior», natao ho an’ny ankizy 9 hatramin’ny 12 taona. Misy ny sokajy «Adolescent”, natao ho an’ny tanora 12 hatramin’ny 17 taona, ary misy ny sokajy “Adulte”, natao ho an’ny olona feno 18 taona miohatra.
Lin