Mifototra amin’ny andry telo lehibe ny drafitrasan’ny minisitra MNDPT, Razafindramalo Tahina. Voakasik’izany ny maha olona, ny fampananan’asa ary ny tsara fitantanana.
Nitatitra ny zava-bita sy ny drafitrasany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haikajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina, omaly. Midika fa nahomby ny zava-bitany matoa voatazona teo amin’ny toerany izy. Mifandraika amin’ny toromariky ny filoha, Rajoelina Andry, ny drafitrasany ho an’ny taona 2024. Voalohany, ny fanomezan-danja ny maha olona, ny fampiasam-bola ho an’ny fanabeazana hampiasana ny fitaovana niomerika. Eo koa ny tetikasa fampiofanana hananganana ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny niomerika sy ny paositra (INDP).
Faharoa, ny fampananan’ asa, indrindra ny tanora. Misy ny tetikasa “Decim”, hampifandraisana ara-niomerika sy ara-angovo, ka hahazoan’ny 67%-n’ny Malagasy herinaratra, sy hahazoan’ny olona miisa 3,4 tapitrisa mampiasa ny fifandraisan-davitra. Halalahana ny tsenan’ny fifandraisan-davitra mba hisian’ny tena fifaninanana marina. Hisy vahiny mpandraharaha tsy miankina hafa hiditra eo amin’ny tsena eto an-toerana. Hampiroboroboina ny indostria, hampiasana ny teknolojia niomerika eto Madagasikara.
Tanjona 100 andro
Fahatelo, ny fampanarahana araka ny teknolojia maoderina ny fitantanan-draharaham- panjakana. Misy ny tetikasa E-fokontany, ka ho tanjona ny hampiasana ny niomerika manerana ny fokontany rehetra (miisa 1 600) eto amin’ ny faritra Analamanga ato anatin’ny 100 andro. Ho vitaina daholo kosa ny fokontany miisa 19 300 ao anatin’ny kaominina miisa 1 700 manerana ny Nosy amin’ity taona 2024 ity. Ao anatin’izany tetikasa izany ny fanohizana ny fampiasana karinem-pokontany niomerika, ny fikarakarana ny fanamarinam-ponenana niomerika, sy ny taratasy samihafa.
Toraka izany koa ny fikarakarana ny antontan-taratasim-panjakana samihafa.
Manohana ity tetikasa ity ny Banky iraisam-pirenena, izay mitentina 5 tapitrisa dolara.
Njaka Andriantefiarinesy