Fandraharahana: hanampy ny kaoperativa ny governemanta amerikana

Hiompana amin’ny fana­tsarana ny fandaharanasam-pampandrosoana ny kaoperativa, amin’ny alalan’ny fametrahana fepetra mampiroborobo ny kaoperativa (CDP/ CECE), ny tetikasa Coope­rative Eco­system And Social Inclusion (CESI). Haharitra efa-taona ny tetikasa. Hana­tanteraka izany ny fikambanana iraisam-pirenen’ny kaoperativa NCBA CLUSA izay vatsian’ny governemanta amerikana vola
amin’ny alalan’ny USAID. Kendrena ny hanohanana sy hanatsarana ny fandraharahana ataon’ny kaoperativa. Tan­jona apetraka hatramin’ny taona 2028 ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny orinasa kaoperativa. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tonto­lon’ny fandraharahany sy ny fahalalana eo amin’ny vondrona mpitantsoroka.

Fampiroboroboana
Hojerena manokana ny fampaharetan’ny famokarana, ny fandrafetana ny sata sy ny fitaovam-panabeazana entina hanohanana ny fampiharana ny lalàna vaovao momba ny orinasa kaoperativa. Vaindo­han-draharaha koa ny tantsoroka ny fandaharanasa nasionaly momba ny fanabeazana mahakasika ny kaoperativa. Indrindra ny fampiroboroboana ny fampiasana ireo fitaovam-pitantanana ao anatiny, izay asa fototra hifantohan’ny tetikasa CESI. Vonona hiara-hiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka mitovy amin’ny minisitera ny kaoperativa NCBA CLUSA. “Fanoitra sy mpiara-miasa voalohany amin’ ny minisiteran’ny Fampirobo­ro­boana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (MICC) amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa taninketsa indostrialy ny kaoperativa”, hoy ny tale misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana eny anivon’ny MICC, Andriamaneho Irène.

Henintsoa Hani

Partager sur: