Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Agence japonaise de coopération internationale (JICA) dia hisitraka fitaovana hanampy amin’ny fanalana fako ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Gesdda” notanterahina ny volana febroary 2023 teo ny ahafahana manao izany.
Heverina ho voarain’ny kaominina amin’io volana febroary ho avy io kosa ireo fitaovana nampanantenaina. Anisan’ny fitaovana ho voaray ny kamiao vaventy, multi-benne, miisa 32 sy camion benne miisa 6, hanampy ireo efa misy hitatitra fako. Ny kamiao benne 2 hiasa mivantana eny Andralanitra hanisaka ny fako mitoby ahafahan’ny kamiao mivezivezy malalaka.
Hisy bulldozer 1 sy excavateur 2 ihany koa hiaraka amin’izany. Ankoatra ireo ny dabam-pako miisa 189 sy fiara pick-up 2, moto miisa 8 ary kojakoja rehetra ilaina amin’ny fikoloana sy fanamboarana ireo fitaovana ho azo ireo.
Tatiana A