Nidina ifotony teny amin’ny toby Andralanitra ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly. Nanotrona azy ny tale jeneralin’ny SMA , ny kolonely Razafimanahaka Tiana sy ny solontenan’ny Jica, mpiara-miombon’antoka amin’ny fitantanana ny fako eto Antananarivo (GESDA).
Nilaza ny minisitra fa antony roa no mahatonga ny fivangongoan’ny fako eto an-drenivohitra. Ny fomba fanarian’ny mponina ny fako sy ny tsy fahampian’ny fiara fitaterana azy, izay efa andalam-pivahana. Olana lehibe koa ny fivezivezen’ ny kamiao eny Andralanitra. Vahaolana noraisina ny hanadiovana ny lakandrano tsentsina amin’ny sisin-dalana, sy ny hanamboarana ny lalana.
Misy ny hetsika manokana «opération coup de poing», iarahan’ny MEAH amin’ny kaominina CUA sy ny SMA hanalana ny fako eto an-drenivohitra, izay natomboka omaly teny Andralanitra. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny fahadiovana, ka tsy tokony hihoatra ny fatra ny fako anaty daba iombonana. Manodidina ny 1 200 hatramin’ny 2 000 m3 isan’ andro ny fakon’Antananarivo ary ny volana desambra sy janoary toy izao no tena betsaka.
Njaka A.