Mihena ny fandehanan’ny olona mankany amin’ny faritra, rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. “Antony mahatonga izany, ny fidiran’ny mpianatra, ny haratsin’ny toetr’andro, ary ny areti-maso izay efa mihanaka”, hoy ny filoha lefitry ny fiombonamben’ny kaoperativa (CPCTRV), Ratsimihaba Nirina Mamitiana. Efa misy ny solontenan’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka manara-maso eny amin’ny tobim-piantsonana. Arahi-maso, mandritra izany, ny olona tonga sy vao hiainga ho any amin’ny faritra. Mandray an-tanana avy hatrany izy ireo raha misy ny mpandeha ahitana soritraretina. Anisan’ny fepetra raisin’ny tobim-piantsonana ny fanasana tanana amin’ny “gel” na ny rano sy savony.
Feno fasika ny ankamaroan’ny lalam-pirenena
Ankoatra izay, feno fasika sy lavaka ny ankamaroan’ny lalam-pirenena maro amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra voaray hatrany. Indrindra ny amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Toy ny any Andranofasika, Befotoana, Ampasimbe. “Miaraka amin’ny rano sy fasika ary lavaka ny lalana ka miteraka fatiantoka eo
amin’ny mpitatitra izany”, hoy hatrany izy. Eo ihany koa ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana raha tsy mitandrina ny mpamily. Efa nisy ny fanamboaran-dalana fa misy ihany koa ireo mbola tsy vita. Nangataka izy ireo ny hanohizana sy hanaovana vahaolana maharitra amin’ny fanamboaran-dalana.
Mino