Mbola voatazona ao amin’ ny zandary Maevatanana ireo olona 5 voarohirohy ho namono nahafaty, tamin’ny fomba feno habibiana, ilay mpandraharaha mpanangom-bokatra. Efa vita ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana. Andrasana hiakatra fampanoavana izy ireo. Hatreto, raha ny angom-baovao, tsy salama ny mpitsara tokony handray an-tanana íty raharaha ity ka mahatonga ny antontan-taratasy mihemotra lava mikatso ao amin’ny zandarimariam-pirenena. Tazomin’ ny fianakavian’ilay mpandraharaha ho nahavanona ny famonoana ireo olona dimy ahina. Mpaniraka sy mpamita ny iraka tamin’ny famonoana avokoa izy ireo. Ahin’ireo fianakavian’ny maty fa mifandray tendro amin’ny dahalo any an-toerana koa ny iray tamin’ireo olona dimy ireo. Ity farany izay voasambotra tamin’ny volana avrily 2019. Dahalo rain-dahiny mpanao fakàna olona an-keriny sy efa notadiavina an-taonany maro noho ny asan-jiolahy ary nampitaraina ny mponina any amin’ny faritra Betsiboka. Mpandraharaha iray avy ao amin’ny tanànan’i Berivotra 5/5 koa voatazona amin’ity raharaha ity. Afaka madiodio any am-ponja hatrany io lehilahy io rehefa misy raharaha mahavoasaringotra azy. Manahy, noho izany, ny fianakavian’ny maty ka miantso ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny zava-misy.
Tsiferana R.