Nidina ifotony avy hatrany sady tsy ankiandriandry. Nijery ny olan’ny orinasa iray mpanao akanjo eny Ivato, ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, ny alakamisy teo.
Nihaino ny olan’ny mpiasa sy ireo mpampiasa eo anivon’ity orinasa ity ny tenany ary namaha izany avy hatrany. Anisan’ izany ny tsy mbola nandraisan’ireo mpiasa ny karamany ny volana desambra teo ka niteraka fitarainana sy antso vonjy teo amin’izy ireo. Manampy izany koa ny fandroahana faobe ireo mpiasa maherin’ny 40 teo anivon’ity orinasa eny Ankadindravola ity.
Hentitra ny minisitra, manoloana izany, ka nandray fepetra avy hatrany ny amin’ny tsy maintsy hanajan’ny tompon’ny orinasa ny zon’ireo mpiasa voahilika. “Tsy maintsy efaina tsy misy hatak’andro ny karaman’ireo mpiasa rehetra ireo”, hoy izy.
Nanararaotra izany koa ny teknisianina avy amin’ny minisitera nijery ny momba ireo teratany vahiny miasa sy mpitantana eo anivon’io orinasa io ihany.
Tsy milamina ara-taratasy
Hita taratra tamin’izany fa misy tsy fahatomombanana teo amin’ny antontan-taratasy ireo mpiasa vahiny ireo. “Tokony hihatra amin’izy ireo ny lalàna manan-kery eto an-toerana”, hoy ny eo anivon’ny minisitera.
Tsiahivina fa mifanindran-dalana amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao ny momba ny fampiroboroboana ny maha olona sy ny fiahiana sosialy ireo mpiasa ary tanterahan’ny minisitera. “Hitohy hatrany koa ny fidinana eny ifotony sy ny famongorana ireo tsy manara-dalàna eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny maha tany tan-dalàna antsika”, hoy ny minisitra.
Nanteriny hatrany fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisitera tantaniny ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra ny tontolon’ny asa. Tafiditra ao anatin’izany ny asam-panjakana sy ny fidirana ho mpiasam-panjakana. Manampy ny asa mendrika. Ny famoronana asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Eo koa ny fifampiresahana amin’ny sehatra tsy miankina.
Lin