Hikopak’elatra i Ken… Efa nandamina ny hoaviny ary nitsodrano azy kosa ny tarika. Mizarazara ny hevitry ny mpankafy, izay tsy nanam-po mihitsy an’ity vaovao ity.
18 taona teo ho eo no niarahana. Nanambara tamin’ny fomba ofisialy kosa ny tarika Mage 4, omaly, fa hisintaka kely i Ken. «Nanana eritreritra efa elaela kely aho, hanova ny «style musical» hironako. Revirevy mozika hafahafa izay ilay izy, ka nangata-tsodrano tamin’ny tarika Mage 4 aho . Mba hisintaka elaela kely, fa mety hiverina ihany any aoriana any…», hoy ny nambaran’i Ken, tanatin’ny «vidéo» niarahan’ny tarika nanatontosa.
Tsodrano ny setriny avy amin’ny Mage 4. «Nivory izahay tamin’ iny volana lasa iny, niresahan’i Ken ny tetikasany. Nangataka taminay ny hisintaka izy, ka nitsodrano azy izahay tsirairay. Mahaleova mahalasana lesy Ken», hoy i Elysé, anisan’ireo zokiny ao amin’ny tarika. «Tsy ho hadinoko mandrakizay satria izay hira nomena an’i lery tonga dia tsy nisy nokianina. Hafa ny mety noeritreretinay mpamorona, fa rehefa hapetrany ny maha izy azy dia ireny hitanareo ireny. Tsy azo atao ny malahelo satria hanohy ny lalany ary ho lasa lavitra izy. Tsy niady izahay fa ny disadisa ve tsy hisy», hoy kosa i Zeze. Izy roa lahy anisan’ny zokiny ao amin’ny tarika, izay nametraka ny fitokisany tamin’i Ken hatrany am-piandohan’ny fiarahana.
«Izaho miantso an’i lery zoky, satria mpirahalahy izahay ary ho mpirahalahy foana. Lery koa nitari-dalana anay tato amin’ny tarika», hoy kosa i Beback. Manaporofo ny fisokafan’ny tarika ny fisian’ny zandry taty aoriana, ka tsy mifarana hatreo akory ny Mage 4. «Mitsodrano ny tarika Mage 4 koa aho, satria institution io. Raha misy miala eo dia misolo ary manaiky aho fa be dia be ny bandikely any rehetra any tena mahay mihira. Nireharehako hatramin’izay naha olombelona ahy satria napetrako tao anatin’ny Mage 4 ny fiainako. Milay ireo bandy ireo. Mety nisy kely ny disadisa fa esory ao an-tsainareo ny hoe ady fa ilay resaka matihanina tanteraka ny antony», hoy hatrany i Ken nanamafy.
Tsy vao izay akory ny sedra nolalovan’ny tarika Mage 4, nandritra ny 30 taona nisiany. Nisy ny ambony sy ambany, fa teo foana ny tarika. Mafimafy kosa ny fanamby miandry amin’ny tohiny, satria nametraka ny maha izy azy tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny Mage 4 i Ken. Hifantoka avy hatrany amin’ny «casting», hifantenana izay handimby ity mpihira ity ry zalahy, ka mety ho tarakely ny fanombohan’ny tarika ny taom-pampisehoana 2024.
Zo ny Aina