Vokatry ny rotsakorana nihoapampana nandritra ny 4 andro, indrindra tany amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy dia maro ireo traboina noho ny fiakaran’ny rano, raha ny tatitry ny BNGRC. Manodidina ny
1 700 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana (tokantrano 40). Napetraka amina toerana azo antoka izy ireo mandra-pidinan’ny rano. Manodidina ny 300 ireo trano tondraky ny rano ary 2 potika tanteraka.
Raha ny voalazan’ny Unicef, tsy manana rano fisotro madio ny antsasa-manilan’ny tobim-pahasalamana eto Madagasikara. 60% ihany koa no manana
toeram-pivoahana ara-pahasalamana. Tena ilaina
amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza anefa ny fisitrahana rano madio sy ny fotodrafitrasa momba ny fahadiovana.