Namidy antsokosoko: Pasitera nahatrarana moto halatra

Pasitera amina fiangonana tsy miankina iray nahatrarana moto halatra tao Fiana­ran­tsoa, ny 17 janoary teo. Nisy nangalatra ny moto iray tsy lavitra ny TPI tao an-toerana, ny 16 janoary lasa teo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana, araka izany, ny tompon’entana very. Nanao ny fikarohana ny nahavanon-doza ireo tomponandraikitra. Tratra tao amin’ny mpanamboatra moto iray ny tranon-dasantsy. Nen­tina natao famotorana lalina ity farany. Nitoroka ny namany sy ny mpiray tsikombakomba taminy nahazoany io moto io ilay mpanao moto. Voatonona, tamin’izany, ny olona roa voalaza ho nividy ilay moto halatra. Voasarin­gotra ihany koa ilay pasitera. Tompon’antoka tamin’ny fangalarana io moto izy, araka ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana. Namidiny ilay mo­to kinanjo izao niafara ta­min’ny fahatrarana izao. No­sa­vaina ny tranony ka sarona tao ny kojakoja rehetra nifandraika tamin’io kodiaran-droa io. Mitohy ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: