Noraisin’ny minisitra ny solontenan’ireo mpanakanto. Taorian’ny fihaonana voalohany tamin’ ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisitera, nandray ny sendikan’ny artista ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Nihaino ireo olana sy soso-kevitra mahakasika ny Omda sy ilay tolo-dalàna momba ny zon’ ny mpamorona ny minisitra.
Niarahaba ny minisitra ihany koa ny mpanao gazety zokiolona notarihin’ny filohany, Andriamorasata Solo. Ankoatra ny fiarahabana noho ny taom-baovao sy ny andraikitra vaovao, nitondra ny tsodrano ihany koa izy ireo. Nanambara ny minisitra fa misokatra amin’ireo tetikasa, toa ny fampitana ny traikefa avy amin’ireo zoky ho an’ny zandry, eo amin’ny asa fanaovan-gazety.
Seho Fiderana ao amin’ny Salle d’œuvren’ny Ekar Antanimena. Hotontosaina ny sabotsy 27 janoary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hiray sehatra mandritra izany ry José, Tarika Hasina, Vetsonkira, ny Tanora Feon’ny Fiderana. Hanotrona ao ihany koa i Malala, tarika ‘Zay. Marihina fa seho hatao hitadiavam-bola amin’ny asa sosialy izy ity.
Tanterahina eny amin’ny Aft Andavamamba, anio tolakandro, ny «Ça claque», seho «Slam poèsie» karakarain’ny Madagaslam. Misokatra ho an’ny rehetra, ao anatin’ny fanajana fepetra, ny fandraisana anjara. Ireo vao misandratra eo amin’ny sehatry ny «Slam poèsie» no tena homena sehatra sy ezahana hasongadina amin’ity hetsika ity.