Vaindohan-draharaham-panjakana ny hampiroborobo ny sehatry ny indostria entina hampandrosoana ny firenena. Manana mpiasa sy akora enti-mamokatra hita manerana ny Nosy sy azo trandrahina tsara i Madagasikara. Hampirisihina ny fampiasam-bola amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana.
Hotohizana ny fisarihana ireo mpampiasa vola goavana eo amin’ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana sy avy any ivelany, hampitomboina ny famoronana asa any amin’ny faritra samihafa. Hapetraka ny paikady sy ny fehezan-dalàna mifehy ny fampiasam-bola hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika.
Manentana ny rehetra ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Boeny-Betsiboka, fa efa azo atao ny manatona ny biraony any Mahajanga, ho an’ireo maniry hamboly hazo. Marihina fa maimaimpoana ny fisitrahana ny zana-kazo any amin’ny tanin-janakazo Marohogo. Misy ny toromarika omen’ny teknisiana amin’izany.
Fandaharanasa hampirisihina ny tsy miankina handraharaha amin’ny fambolena, ny MBIF Agribusiness. Ao anatin’ny tetikasa “Pic 3”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Vokasik’izany ny faritra Anosy, Diana, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana.