Antananarivo Renivohitra : avotana anaty rano miandrona ny mponina

Andro aman’alina ny farimbon’asa atao eny amin’ny faritra iva amin’ny fanalana ny rano miandrona vokatry ny rotsakorana. Mifanome tanana ny herivelona rehetra manao izany.

Teny Ilanivato sy Ampa­sika ary Andavamamba Ambilanibe indray ireo ekipa mpanadio lakandrano no niasa ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanala ny rano niandrona mampijaly ny mponina izy ireo. Nanongotra ny tsikafona tamin’ireo lakandrano izay manelingelina ny fikorinan’ny rano. Nanomboka teo amin’ny Polisy hatreny amin’ny lambamena, mirefy 100m no nanalana izany.

Lakandrano mirefy 300m no hodiovina eny Anda­va­mamba Anjezika. Olona 75 no hiasa mandritra ny 3 andro amin’ny fanalana tsikafona. Tsy hadino ny lakandrano C3 izay mamarina ny rano amin’ ny faritra iva. Lakandrano 300 m no nifarimbona’ny olona miisa 150.
Tsy maintsy nanaovana fampiraharahana manokana kosa ny tokantrano sasany teny Ilanivato amin’ny famoronana lakandrano hamoahana ny rano satria manempotra tanàna maro ny fanorenana natao.
Trano maro, araka izany, no lasa dibo-drano noho ny tsy fahatomombanan’ny lakan­drano ivoahan’ny rano. Nandray fanapahan-kevitra ny BNGRC fa hamoronana la­kan­drano any anaty tanà­nan’olona hahafahana ma­mo­aka ny rano miandrona. Nifanaiky tamin’izany ireo tompon-tanàna mba ho tombontsoa iraisan’ny mpiara-monina manodidina.
Tetsy andaniny, niasa teny Andranomanalina Afovoany ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanadio lakandrano mirefy 200m. Toraka izany ny teny Andrano­ma­na­lina I, nahitana lakandrano mirefy 900m. Ny teny Am­pan­drana Atsinanana lakandrano mirefy 959m.
Nahatratra 3m3 ny fako narian’ny olona teny amin’ireo toerana tsy tokony hanariana izany.

Manatanteraka ny fanaraha-maso sy ny fanentanana ny olona ny inspekteran’ny fahadiovana ao amin’ny CUA miaraka amin’ny RF2 sy ny fokontany.

Tatiana A

Partager sur: