Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tanimbary anatin’ny fokontany Ankadivory, kaominina ambanivohitra Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Nampandre ny vaovao tany amin’ny polisy miasa eny an-toerana avy hatrany ny sefo fokontany, fa misy lehilahy iray tsy nisy aina intsony, natsingevan’ny rano teny amin’io an-tanimbary io. Nidina nijery ny zava-nisy avy hatrany ny polisy, niaraka tamin’ny lehiben’ny CSBII eny an-toerana nizaha ny razana sy nanao ny fikarohana.
Rakotoarilala Lanto, lehilahy 30 taona, ity maty ity, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Monina eny amin’ny fokontany Antsakambahiny, kaominina ambanivohitra Antehiroka izy. “Voan’ny aretina androbe efa hatramin’ny fahazazany ity lehilahy ity”. Araka ny fitantaran’ny fianakaviany. “Maty tsy tra-drano izy io, noho ny ratra sy ny loza nahazo azy teny an-tanimbary”, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Natolotra ny fianakaviany moa ny razana taorian’ny fanadihadiana sy ny fizahana natao taminy. Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny vondron’ny polisy miasa ao Antehiroka.
Mino