Arofanin’ny tokantrano: Ilaina ny fisoratam-panambadiana, 5 000 hatramin’ny 30 000 Ar ny sarany

Mitombo isa ha­trany ireo tanora sy mpivady mangataka ny hisaraka voaray eny anivon’ny tribonaly. Tsy mitsaha-mi­tombo iha­ny koa anefa ny olona maniry sy miroso amin’ny fanambadiana ara-dalàna, raha ny fanadihadiana natao.

Manodidina ny 66 ny mpivady nisaraka, ra­ha ny tatitra voaray teny anivon’ny boriborintany fahefatra tamin’ny taona 2023 lasa teo. Raha toa ka 673 ny isan’ny tanora niroso tamin’ny fisoratam-panambadiana. Raha tsinjaraina, 169 isam-bolana ireo fisoratam-panambadiana notanterahina teny an-toerana. Manodidina ny 43 isan-kerinandro izany. Raha toa ka 20 mahery isaky ny alakamisy sy sabotsy. Tena betsaka misora-panambadiana ny volana desambra sy may ary jiona, raha ny tatitra voaray hatrany. Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy mahatafiditra izany ao anatin’ny fotoanan’ny maitsoahitra.
Vitsy hatreto ny tahan’ireo ankizy tsy ampy taona miroso amin’ny fanorenana tokantrano ara-dalàna, raha ny tatitra voaray hatrany. Antony manosika azy ireo, ny fitondrana vohoka ka tsy maintsy miroso noho ny tahotra sy ny faneren’ny ray aman-dreny andaniny sy ankilany. “Ny firoboroboan’ ny teknolojia sy ny mahasamihafa ny amin’ny fitaizana taloha sy ankehitriny ny antony mahatonga izany”, hoy ny fanazavan’ny lefitra voalohany eo anivon’ny boriborintany fahefatra, Randrianasolo Niri­son. Tokony hamafisina sy ha­petraka eny anivon’ny se­koly ny “éducation civique” hoy izy. Na dia efa misy aza ny ezaka ataon’ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Fana­be­azana. Noha­mafisiny hatrany fa tokony handeha hivavaka isaky ny alahady ny mpivady sy ny zanaka. Mba hampisy arofanina sy hanatsara ny tokantrano sy tsy hampivoatra ny ankizy amin’ny ratsy. Eo ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena, hialana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina.

Tsy maintsy miofana
Tsy maintsy mandalo fiofanana avokoa ny olon-droa alohan’ny hirosoana amin’ny fisoratam-panambadiana eny anivon’ny boriborintany, eto Antananarivo. Atao isaky ny talata, ao amin’ny efitrano fanaovana mariazy ary maharitra tapa-bolana mialoha ny fisoratana izany, izay ampanaovin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny boriborintany. Hizarana fahalalana sy traikefa mahakasika ny lalànan’ny fanambadiana, ny adidy sy andraikitra miandry eo anivon’ny tokantrano. “Tanjona ny hampateza ny tokantrano ao­rina fa tsy ho mora rava”, hoy Randrianasolo Nirison, ny lefitra voalohany eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Nilaza izy fa efa maro ny tokantrano misaraka amin’izao fotoana izao. Mba hanomezana arofanina ny mpivady vao sy hampaharitra ny tokantrano vao aorina no anton’ny fiofanana. Hatoro azy ireo ny mahasoa sy mahatsara ny tokantrano. Ohatra, ny fifanajana sy fifampiresahana ao an-tokantrano…

Taratasy homanina
Maro ny taratasy omanina sy karakaraina alohan’ny hirosoana amin’ny fisoratam-panambadiana ara-dalàna. Ani­san’izany ny kopia nahaterahana latsaky ny telo volana, taratasy manamarina ny maha mpitovo azy roa, fanamarinam-ponenana, karaponondro… Ho an’ny tsy ampy taona indray, ahitana ny taratasy fanomezan-dalana avy any amin’ny tribonaly, sy ny fahazoan-dalàna avy amin’ny ray aman-dreny izany. “Afaka misoratra soa aman-tsara ny ankizy tsy ampy taona fa tsy maintsy hamafisina raha manaiky ny hanambadiany tokoa ny ray aman-dreny”, hoy hatrany izy. Manaraka izany, ny sonia ampanaovina azy ireo ho fanekena.

Manatsara ny hoavin’ny tanaraka

Maro ny tombontsoa azon’ny mpivady miroso amin’ny fisoratam-panambadiana. Voalohany indrindra ny fikarakarana sy ny fanamorana ny fahazoana ny ara-taratasy rehetra. Eo ihany koa ny fitsinjovana sy fanatsarana ny hoavin’ny taranaka. Na eo amin’ny lafiny fianarany izany na eo amin’ny lafiny fitadiavany asa. Toy ny fanamorana sy fananan’ny zanaka kopia … “Sarotra ny hivelaran’ny ankizy na ara-tsaina na ara-piainana raha vao miaina ao anatin’ny tokantrano imaso ny ray aman-dreny”, hoy ny lefitra voalohany eo anivon’ny boriborintany fahefatra, Randrianasolo Nirison.
Maro ny misoratra fa maro ihany koa ireo mpivady mijanona ho tokantrano imaso. Noho ny fahasahiranana ara-bola, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Betsaka ny mbola tsy mahavelon-tena. Na izany aza, manao antso avo hatrany ny tomponandraikitra. “Entanina ny rehetra mba tsy hanao ambanin-javatra ny mariazy ara-dalàna sy ny fisoratam-panambadiana, na dia eo aza ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano”, hoy hatrany izy. Tsy mampilamina ny sain’ny ankizy ny fiziriziriana anatin’ny tokantrano tsy ara-dalàna. Marihina fa sandaina 30 000 Ar isaky ny sabotsy ny fisoratam-panambadiana. Raha toa ka 5 000 Ar kosa isaky ny alakamisy. Tafiditra ao anatin’izay, ny saran’ny bokim-pianakaviana omena azy ireo, izay atontan’ny kaominina.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: