Fampitana traikefa : nanangana «école de foot» i Leda, mpiandry tsatobin’ny Barea

Taorian’ny tsy niakarany kianja intsony, nanolo-tena hizara ny fahaizany sy hitaiza zandrikely, i Leda. Nanangana sekolin’ny kitra ho an’ny U13, lehilahy, ity mpiandry tsatobin’ny Barea de Madagascar ity.

Ny taona 2020, rehefa tsy niakatra kianja intsony Randrianasolo Jean Dieu-Donné (Leda), mpiandry tsatobin’ny Barea de Mada­gas­car, nanapa-kevitra fa hampita ny traikefany amin’ireo zandry, zanaka, aty aoriana. Nanan­ga­na ny école de foot Dale Aca­de­mie, ny tenany. Herim-pony samirery ny nanaovana iza­ny. Nambarany fa misokatra ho an’ireo rehetra ny fiaraha-mi­asa. Miantso ireo namana sy ma­lala-tanana vonona hanatontosa miaraka aminy ny tetikasa izy.
Antony nanosika azy hanangana sekolin’ny kitra ny fitiavana ilay taranja efa ao anatiny. Ankoatra izay ny fampitana fahaizana sy hakana traikefa amin’ny fitaizana sy fampianarana ireo kilonga. Tanjona sy faniriany ny hamoaka “boaikely” ho lasa mpilalao matihanina.
Na mpiandry tsatoby aza ny toerana nisy azy, ny fototry ny baolina kitra no hampianariny ireo ankizy beazina ao amin’ny école de foot Dale Academie. Mbola ny sokajy U13 ihany aloha no karakarainy, saingy hisokatra any amin’ny taona hafa izany atsy ho atsy.
Nitsangana ny volana novambra ny sekolin’ny kitra tantanan’i Leda. 20 mahery eo ireo tovolahikely beaziny sy ampianarany ao. Isaky ny sabotsy ny fanabeazana ireo ankizy. Fanirian’i Leda sy ireo kilonga beaziny ny hikotrana amin’ny kianja «synthètique» ka hanaovany antso ho an’izay afaka hanolo-tanana azy ireo amin’izany.
Misokatra ho an’ireo ankizy rehetra ny école de foot Dale Academie. Nomarihin’i Leda fa raisiny manokana aorian’ny fanazarantena ireo izay te ho lasa mpiandry tsatoby.

Torcelin

Partager sur: