Fanatontosana sarimihetsika : nizara ny traikefany Rajaonarivelo Raymond

Mandalo eto Madagasikara Rajaonarivelo Raymond, mpanantontosa sarimihetsika fanta-daza maneran-tany. Nisy ny fizarana traikefa nataony afakomaly, teny Anjohy.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Musée de la photographie Anjohy, ny valandresaka niarahana tamin-dRajao­narivelo Raymond, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «Café histoire, Quand le cinéma rencontre l’histoire» izany. Nasongadiny ny mahakasika ilay horonantsary «Taba­taba», nivoaka ny taona 1988. Miresaka sy mampahafantatra ny zava-nisy ny taona 1947. Anisan’ny tena misongadina ao anatiny ny niandohan’ny tolom-bahoaka sy ny fikomiana. Mivoitra ihany koa ny fifandonana teo amin’ny mpano­hana ny fikomiana sy ny fifidianana. Nalaza maneran-tany, indrindra tamin’ny hetsika lehibe teo amin’ny tonto­lon’ny sarimihetsika ny «Ta­bataba».
Maro ny amboara sy ny fifaninanana nanjakan’ity sarimihetsika malagasy ity ta­min’izany fotoana. Nahazo ny laharana voalohany nandritra ny “Festival de Cannes”, nanoloana ireo mpanatontosa sarimihetsika am-polony avy amin’ny lafivalon’ny tany, ny taona 1988. Nahazo ny “Prix dy Jury”, nandritra ny “Festival du film de Taormine» tany Italie. Mbola nandrombaka ny «Prix de la première œuvre», nandritra ny Andron’ny sarimihetsika natao tany Carthage, ny taona 1989.
Fifanakalozana
Ambohipihaonan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny sa­rimihetsika malagasy, indrindra ny mpanatontosa ny teny amin’ny Musée de la photographie Anjohy, ny faran’ny herinandro teo. Nitafa tamin’ireo zandry vao misandratra, namaly ny fanontaniana manitikitika sy ny ahiahin’ireo maniry hiditra, ary nizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaony tamin’ny mpanatontosa namany Rajaonarivelo Raymond.

Lin

Partager sur: