Fandidiana an’i Mikakely : seho tolo-tanana hataon’ny mpanakanto namany

Tojo tsy fahasalamana Raoel Brice Mick, antsoin’ny maro hoe Mikakely Bassiste. Misy lalan-dra tapaka any amin’ny lohany. Mikasa hanao ny fandidiana azy ny mpitsabo anio. Nihombo malaky anefa ny aretiny satria efa niparitaka ny ra, ka tsy maintsy natomboka omaly izany. Indroa miantoana ny fandidiana, raha ny fanazavan’ny fianakaviana, omaly.
Sady tena sarotra no lafo ny saran’izany. Nihetsika ta­min’ny fifanentanana ireo mpanakanto namany vao naheno ny vaovao, afakomaly. Natomboka tamin’ny fiantsoana fanaovana tsipaipaika izany, tanaty tambajotra. Nifamotoana, omaly maraina, teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha indray izy ireo, sady namangy no nijery izay tokony hifanampiana.
«Manentana antsika mpanakanto namana, na mpihira na mpitendry, hanao izay vitantsika ho fanehoana firaisan-kina. Mila ny fanohanan­tsika rehetra sy ny mpankafy mozika koa i Mika amin’izao tsy fahasalamana hatrehiny izao», hoy ny nambaran’ny solontenan’ny mpanakanto, omaly.

Miara-mientana
Ankoatra izay, fantatra fa hisy ny seho «Tolo-tanana ho an’i Mikakely». Hotontosaina ny zoma 26 janoary izao , manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny La City Ivandry. Ireo tarika niarahany nitendry no hifandimby an-tsehatra amin’izany, ahitana an-dry Samöela, Tarika ‘Zay, Tovo J’Hay, Princio ary Rah-Ckiki. Hanentana ny fotoana i Eric sy Honorat, ary Rado Romeo. Fantatra fa mety mbola ho maro ireo mpanakanto hanampy azy ireo, amin’io fotoana io.
Nitendry nanaraka mpanakanto sy tarika maro i Mi­kakely, nandritra izay taona maro nanaovany mozika izay. Teo ihany koa ireo nanankina taminy ny fandraisam-peo sy ny fandrindrana ny hira, na tsy narahiny an-tsehatra aza. Nampianatra mozika ihany koa izy, ary maro ireo mpianany no efa matihanina amin’izao.

Zo nyAina

Partager sur: