Ekipa roa voalohany efa nahazo ny tapakila hiatrehina ny dingana ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024), i Sénégal sy i Cap Vert. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Samy manana isa 6 avy ireo ekipa roa ireo, taorian’ny lalao roa tontosany, izany hoe, nandresy avokoa tamin’ireo lalao nataony.
Raha tsiahivina ny vokatra azon’izy ireo, i Cap Vert nandresy nisesy an’i Ghana tamin’ ny isa 2 no ho 1 teo amin’ny andro voalohany ary i Mozambique, 3 no ho 0 teo amin’ny lalao faharoa. Tsy mampiova na inona na inona intsony ny lalao hikatrohany amin’ny Faraonan’i Egypte eo amin’ny andro farany, ho an’ity sokajy “B” ity.
Ny liona-n’i Teranga Sénégal indray nanilika an’i Gambie, 3 no ho 1 avy eo nandresy an’i Cameroun, 3 no ho 1. Tsy misy fiantraikany amin’ny voka-dalaon’i Sénégal intsony ny andro fahatelo hifandonany amin’i Guinée.
Ankoatra izay, ratsy toerana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpampiantrano. Tsy mbola manana afa-tsy isa 3. Mitana ny laharana fahatelo ny ivoarianina ao amin’ny vondrona “A”. Hiankina amin’ny fihaonana amin’i Guinée Equatoriale, amin’ny andro faran’ny fifanintsanana, ny ho tohin’ny dian’ izy ireo. Hiady ny toerana faharoa na ireo fahatelo tsara toerana indrindra. Mitarika ao amin’ity vondrona “A” ity, i Guinée Equatoriale sy i Nigeria samy manana isa 4 avy.
Mbola samy manana herijika ny ho tafita aloha hatramin’izao ny ekipa rehetra.
Tompondaka