Ninia nohitsahina! Tapitra ny ain’ny lehilahy iray nitondra moto notrongisin’ny mpamily taxi-be 154, afakomaly alina. Niendaka ny hoditra, rovitry ny arabe ny ilam-batan’ny mpitondra moto iray tetsy amin’ny “Bazar de quartier” Mahamasina, ny harivan’ny sabotsy 20 janoary teo. Notaritaritin’ ilay taxi-be niala 200 metatra ny toerana nijanonany io lehilahy io. Nandona olona manodidina an’i Tsimbazaza ilay taxi-be. Hitan’ireo manodidina anefa ny fihetsiky ny mpamily izay tsy nety nanajanona ny fiara. Nifandrimbona, noho izany, ireo mpitondra moto maromaro hampitsahatra ilay taxi-be. Tratran’izy ireo teo Mahamasina io fiara io. Niezaka niteny ilay mpamily ny fiara mba hamono motera ny lehilahy iray. Nisakana ilay taxi-be teo afovoan’arabe io lehilahy io sy ny moto nentiny. Nanda hijanona anefa ny mpamily ka nikiry nampandroso ny fiara nentiny hatrany. Vokany, notetezin’ilay taxi-be ilay lehilahy sy ny moto nentiny. Naratra mafy ity farany ary nitaraina mafy. Nentina nihazo ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy.
Nosamborin’ny mpitandro filaminana …
Nahenoana fofona alikaola sady nahitana tavoahangin-toaka tao anatin’ilay taxi-be, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Mbola nikasa handositra ilay mpamily fiara. Tetsy ankilany, tezitra ireo nanatri-maso ka nisy tamin’izy ireo nidaroka io mpamily nahavanon-doza io. Nisoroka ny hisian’ny fitsaram-bahoaka ny mpitandro filaminana ka nandray an-tanana ny raharaha. Nosamborina teo noho eo io mpamily taxi-be io. Naiditra am-balampamonjana ny fiara. Marihina, vao efa-bolana monja ny zanak’ilay lehilahy nitondra moto maty voahitsaky ny fiara. Ankoatra io, lehilahy iray hafa koa maty nohitsahan’ny fiara 4×4 teny Itaosy, ny alin’ny zoma 19 janoary teo.
Tsiferana R.