Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) teny Ankasina, ny 16 janoary 2024 lasa teo, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanaovana fisolokiana anaty finday. Misoloky sady manao fisandohana andraikitra amin’ny alalan’ ny fampiasana finday ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Misandoka ho mpitandro filaminana, mpiasan’ny fonja sy mpanao gazety izy ireo. Milaza fa manana antontan-taratasy maloto momba ilay olona mba hoentina hitakina vola aminy. Nohamafisin’ny polisy fa izy ireo koa no mpandefa ireny hafatra anaty finday mampanantena fanomezana toy ny fiara sy trano ireny. Maro ireo olona efa lasibatr’izy ireo tamin’ izany fisolokiana izany. Voalaza fa vondron’olona maromaro izy ireo izay samy manana ny anjara asany avy. Ao ireo mpanao karapanondro hosoka sy mpamatsy puce, misy kosa ireo miantso sy mandefa hafatra sandoka. Mbola nahatrarana karapanondro sandoka sy fanamarinam-ponenana hosoka maromaro tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany ireto mpisoloky ireto nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.
J.C