Mozika jazz : nodimandry i Dédé Rabeson

Nodimandry teo amin’ny faha-89 taonany i Dédé Rabeson, araka ny fizaram-baovao nataon’ny zanany Datita Rabeson, afakomaly. Anarana fanta-daza teo amin’ny tontolon’ny jazz malagasy, indrindra amin’ny maha mpitsoka saxophone azy. Rehefa zavamaneno tsofina anefa dia niangaliany avokoa. Nilalao amponga maroanaka koa izy.
Nanana ny lazany ry Rabeson Mirahalahy, izay azo lazaina ho nanokatra ny lalan’ireo mpilalao mozika jazz teto Madagasikara, tany amin’ny taona 60. I Raymond Rabeson no lahimatoa, mpitendry violon sy contrebasse ary piano. I Jeanot Rabeson kosa mpitendry piano, izay zandrin’i Dédé Rabeson. Nanaingo ny hira noforononin’i Louis Rasoanaivo, izay dadatoany ihany, no tena nampalaza an-dry Rabeson Mirahalahy. Anisan’ireny ny «Andro iray», «Andron’ny fahazazana», «Handihy ve ?», «Tsy aleo ve ?», sns.
Nifandovana ny mozika tao amin’ny fianakaviana Rabeson. Saika mpitendry sy mpihira ary fantatra kokoa
amin’ny fiangaliana jazz avokoa izy ireo.

Zo nyAina

Partager sur: